Tafaverina soa aman-tsara tetsy Ivato, omaly atoandro, ireo varika 16 tamin’ireo 48 tratra tany Thaïlande. Naka izany tany an-toerana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Andonirina Max Fontaine, taorian’ny fifampiresahana tamin’ireo manam-pahefana eto an-toerana sy any an-toerana. Nanainga omaly hariva, nihazo ny faritra Atsimon’ny Nosy ireo varika ireo ary hatokana amin’ny toerana iray mandritra ny dimy na enim-bolana eo, mba ho fiarovana azy ireo amin’ny fifindran’ny aretina mety mahazo azy ireo.
15 ireo naiditra am-ponja
Mahatratra 15 ireo nampidirina am-ponja amin’ity trangana fanondranana an-tsokosoko ity. Efa enina ireo olona nampidirina am-ponja any Thaïlande. 9 kosa ireo nigadra eto Madagasikara. Mbola karohina ny olona telo ambiny. Vinavinaina hoavy rahampitso 3 desambra sy amin’ny 12 desambra izao ireo sokatra sy ireo varika sisa tavela any. Nisy ny ezaka nataon’ny fanjakana malagasy sy ireo mpiara-miombon’antoka ary ny fanjakana thaïlandais nahafahana namerina ireo varika ireo. Ezaka atao eto amin’ny Nosy ny fanaraha-maso sy ny fiarovana ireny harena voajanahary ireny.
Mino