Fifanenjanana, fifanenjehana… Izany no afitsoky ny mpirotsa-kofidina sasany amin’izao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana kaominaly izao. Ho tonga hatraiza? Misy tonga amin’ny fanaratsiana, fankahalana, fanapempoana… Ny fanaratsiana ny hafa no hahatsara endrika ny tena? Eo ny vahoaka hitsara… Nefa tsy tsangan’olona no tokony hotsaraina amin’izany. Fa foto-kevitra, vinam-piarahamonina, fandaharanasa, fomba fiasa… Mba fantatry ny vahoaka ve izany rehetra izany amin’izao karazana hetsika sy tabataba izao? Indrindra izay mampiavaka ny kandidà tsirairay avy…
Mba mila hasiana antony sy lanjany ny latsa-bato atao: tsy an-jambany, tsy fahoany fahoany, tsy fombafomba, atao tsy fidiny… Sao dombo amin’ny fifandranitana etsy sy aroa àry, sanatria? Na misy alaim-panahy tsy handrotsa-bato amin’izany… Na ahoana na ahoana, miroso ny fanatanterahana ny fifidianana ary ho vita; aorian’izay, misy olom-boafidy hitantana ny tanàna eo. Koa ho dombon-dranitra amin’izay ady antsanga politika ve ny vahoaka? Mila mailo, mandinika, tsara fanapahan-kevitra… Safidy politika no ndeha hatao sa izay hampandrosoana ny tanàna ifotony?
Tsy hitondra inona amin’izay hoe hampandrosoana ny latsa-bato politika: valifaty ho an’ny sasany, na fanehoan-kery te hanjakazaka ho an’ny hafa, na ankasomparana fotsiny izao… Tsy fitiavana an’iry, ohatra, no ndeha hifidianana tsy fidiny an’itsy. Mbamin’ny toy izany tsy hita hovisavisaina sy hotanisaina fa kajikajy sy paipaika politika. Tsy misy afa-tsy izay ho tombontsoan’olon-tokana na vondron’olona. Izany no anisan’ny mampirongatra an’io fifanenjanana sy fifanenjehana io? Ny tsirairay no mandini-tena sao dombon-dranitra, fa arakaraka ny fisian’ny fifandranitana no mahadombo…
R. Nd.