Fampiroboroboana ny indostria : hiara-kiasa ny Sim sy ny CCIFM

Vita sonia ny herinandro teo ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim) sy ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Frantsa-Mada­gasikara (CCIFM). Tanjona ny hisian’ny fifaninanana eo amin’ny samy indostria ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena malagasy. Hisy, araka izany, ny tetikasa iraisan’ny roa tonta toy ny fifanakalozana, ny fizarana traikefa, Tafi­ditra ao anatin’izany ny fampiofanana sy “réseutage” ary ny fitadiavana mpamatsy vola entina hanatsarana ny fandraharahana eto an-toerana. Kendrena manokana ny hizarana soa fanararaotra ho an’ireo mpikambana, ho fampiroboroboana ny fanavaozana. Vinam-piaraha-miasa ny hampiroborobo ny herijikan’ireo mpandraharaha hanomezan-danja ny vokatra malagasy sy ny label malagasy ny antsika apetraky ny Sim izay mifandraika amin’ny fomba fijerin’ny CCIFM mifantoka amin’ny fifanakalozana eo amin’i Mada­gasikara sy ireo mpiara-miombon’antoka any ivelany. “Tom­bony ho an’i Madagasikara sy ireo tompona orinasa izao fiaraha-miasa izao hitrandrahana ny tsena vaovao”, hoy ny filohan’ny CCIFM, Raharinosy Johanne. “Ilaina kosa ny fampiroboroboana ny indostria, hanatsarana ny hoavin’ny toekarena”, hoy ny filohan’ny Sim, Rasamimanana Tiana, tamin’ny lahateniny.

Henintsoa H.

Partager sur: