FANTINA sy FINTINA

Namoaka fanambarana ny AKFM Anta­na­narivo, ny faran’ny herinandro teo, fa manohana ny kandidà lah.7 atolotry ny vondrona Irmar ho ben’ny Tanàn’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala. Fitaratra eo amin’ny fahavononany hiasa sy hanatontosa ny hanatanteraka ny fandaharanasa mifanojo amin’ny lalam-pivoaran’ny fiainam-pirenena ankehitriny.

Lany tsy nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana taona 2025. Nandritra ny fivoriana ara-potoana faharoa notarihin’ny filohan’ny Ante­nimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ny sabotsy teo, teny amin’ny Lapan’Anosikely, no nanatanterahina izany.

“Sarotra ny hampihatra Démocratie participative raha fiarahamonina bado ka mbola misy ny fanabeazana mila hatao”, hoy i Laza Razafiarison. Mitaky asa amin’ny firaisamonim-pirenena sy antoko politika ny fampahafantarana izany, araka ny nambarany hatrany.

Fitetezana ny tanànan’Antananarivo no nanohizan’ny kandidà Ramanantsoa Harilala ny fampielezan-keviny, omaly. Tao anatin’izany no nanentanany ny vahoakan’Antananarivo mba handray anjara amin’ny fifidianana. Teo ihany koa ny fanentanany ny vahoaka hahay hifidy izay kandidà afaka mampandroso ny tanàna.

Partager sur: