Fisoratana amin’ny lisi-pifidianana : hatramin’ny 4 desambra ny fangatahana didy hitsivolana

Nitarina hatramin’ny 4 desambra izao ny fisoratana anarana ao amin’ny lisi-pifidianana. Mba ho fanomezana fahafaham-po ny olom-pirenena ny anton’izany.

“Raha tokony ho nikatona tamin’ny 30 novambra ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana amin’ny alalan’ny didy hitsivolana, nitarina hatramin’ny 4 desambra ho avy izao izany. Mba ho fanomezana fahafaham-po ny olom-pirenena.” Io ny fanazavan’ny tale kabinetran’ny filohan’ny Ceni, i Fanahimanana Tiaray, teny Alarobia, afakomaly, ny amin’ny fahazoana mangataka didy hitsivolana ahazoana misoratra amin’ny lisi-pifidianana indray. Nan­draisan’ny Ceni fanapahana tamin’ny 29 novambra izany. Rehefa nanao fitetezam-paritra maromaro ny filohan’ny Ceni sy ireo mpikamban’ny birao maharitra, anisan’ny voaresaka hatrany tamin’izany ny fampidirana anarana ao anaty lisi-pifidianana amin’ny didy hitsivolana. Tsapa ny fahalaviran-toerana eo amin’ ny fokontany misy ny olona sy ny biraon’ny rantsamangaikan’ny Ceni eny anivon’ny distrika (CED).
Tsy tokony hohadinoina fa sarotiny amin’ny fampanajana ny zon’ny olom-pirenena hifidy ny Ceni. Izay zo voafaritry ny lalàmpanorenana izay no mahatonga azy manamora hatrany ny fahazoana misoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana. Izay koa no nanemorana ny fe-potoana fahazoana misoratra. Nomena efatr’andro izany, fa henon’ny Ceni foibe avokoa ny fangatahana manerana an’i Madagasikara. Mba hahazoan’ny olom-pirenena tsirairay misitraka ny zo hifidy amin’ny 11 desambra no tena namaliany ny fangatahana. Tombony ny fahazoan’ ny olom-pirenena manatona ny CED maka ny taratasy fanamarinana fa tsy voasosratra ao anatin’ny lisi-pifidianana izy. Tombony koa ny fahazoan’ny fitsarana mamoaka ny didy hitsivolana hahazoana misoratra anarana ao anatin’ ny lisi-pifidianana.

R. Nd.

Partager sur: