Ho fanomanana ny « Chan » : Hatao any Antsirabe ny fampivondronana ny Barea

Araka ny vaovao voaray tamin’ny loharanom-baovao iray, omaly, hanao fampivondronana any Antsirabe ny Barea Chan, ka ny talata ho avy izao izy ireo no handeha any an-toerana raha tsy misy ny fiovana. Tsiahivina fa miisa 50 ireo mpilalao antsoina amin’ity sivana faharoa ity, ka ny 31 amin’izy ireo, avy eto Antananarivo avokoa.30 ihany moa no ilaina amin’izy ireo, ka 23 ny mpilalao fototra ary ny fito ambiny hatao fiandry.
Raha ny siosion-dresaka mandeha, hanatanteraka la­lao ara-pirahalahiana any an-toerana ny Barea. Hatra­min’izao,tsy mbola fantatra ilay klioba hifandona aminy. Tsara marihina fa natao hiatrehina ny lalao mandroso sy miverina amin’i Eswatini, izay hatao mandritra ity volana desambra ity, izany. Izay mivoaka mpandresy amin’ireo firenena roa ireo no miatrika “Chan 2024”.
Amin’ity lalao afrikanina manaraka ity, tsy hisy mpilalao milaravinahitra eto Afrika afaka manampy ny ekipam-pirenena. Natokana ho an’ireo mpilalao mifaninana eto an-toerana ihany izany. Am­pahatsiahivina ihany fa Rakotondrabe Romuald Felix no mpanazatra hitondra ny Barea Chan amin’ity. Nahazo ny laharana fahatelo, nandritra ny «Chan 2022», izay natao tany Algeria, moa i Mada­gasikara.

Fitia Randria

Partager sur: