Mibahan-toerana ny orana amin’ny tapany avaratra sy ny afovoantany noho ny fisian’ny rindrin-drahona. Miakatra be ny maripana any amin’ny morontsiraka andrefana sy atsimo atsinanan’ny Nosy. Misy ny faritra mahazo ny fampitandremana noho izay habetsahan’ny rotsakorana izay.
Hisy farafahakeliny rivodoza roa mety hahatratra an’i Madagasikara amin’io taona 2025 io. Manoloana ireo loza mety hitranga, manohana ny fanjakana amin’ny fiomanana, ny famaliana ary ny fanamafisana ny fahaizan’ny mponina miarina aorian’ny fandalovany ny Firenena mikambana eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny BNGRC. Izy ireo no miantoka ny fiarovana ara-tsivily amin’ny fiaraha-miasan’ny fiarahamonim-pirenena. efa nahitam-bokatra tsara ny fiaraha-miasa eo amin’ny SNU Madagasikara sy ny BNGRC.
Nisy ny fiofanana momba ny fandidiana fototra ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana. Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana ny antony. Notolorana mari-pahavitam-piofanana ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny mpiasan’ny fahasalamana miisa 20 avy amin’ny faritra sivy eto Madagasikara. Natao indrindra ho an’ireo toerana mbola tsy manana mpandidy izany.
Nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana sy ny Ivontoerana IECD. Ivontoerana manatanteraka ny fampiofanana arakasa, torolalana arakasa, ary fanomanana ny tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa ny Institut européen de coopération et de développement. Mifanome tanana ny roa tonta hametrahana ny paikady hanatsara ny kalitaon’ny fahaiza-manaon’ny tanora ary mila miomana amin’ny karazana asa efa mivoatra hatrany.