Hotontosaina ny 4 hatramin’ny 9 desambra izao, any Namibie, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Zone IV, taranja lomano. Malagasy mpilomano 10 mianadahy no solontenan’i Madagasikara, avy amin’ny Madagascar Aquatics mandritra izany. Mpilomano lehilahy 6, ahitana an-Rakotobe Tendry Tiavina , Warren Nathan Indrano Chan, Del Cielo Chrysten Koty Germic Regallo, Rakoto Hariela Ryan , Glorio Precious Koty Sampaniaina ary Ramiakatrarivo Ando Francky. Eo amin’ny vehivavy kosa, ahitana an’Andrianaho Marie-Ange Praxas , Ratefinjanahary Ianitriniala Loane , Andrianarison Haingoniala Hannah ary Rakotonanahary Océane, izay mpilaravinahitra any Dubaï .
Mpilomano mendrika ary anisan’ireo tompondakan’i Madagasikara izy ireo. Nisy tamin’izy 10 mianadahy ireo ihany koa no efa niaro ny voninahi-pirenena tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, sokajy Juniors tany Israely ary nisy ireo nandray anjara tamin’ny lalaon’ny Nosy ny taona 2023 farany teo.Vonona hanatsara ny zava-bitany ireto solontena malagasy ireto ary hahazo vokatra tsara hatrany.
Mi.Raz