Fihantsiana! Izay no azo ilazana ny fanafihana nataon’ireo jiolahy tao Mangarano Toamasina, ny zoma tolakandro teo. Tranombarotra telo no indray notetezin’ireo mpanafika…
Mpamongady telo be izao no indray notetezin’ny jiolahy tamin’io fotoana io. Samy amoron-dalana ireto tranombarotra notafihan’ny jiolahy ireto. Tao anatin’ny fotoana nahamaro ireo olona nifamezivezy teny an-dalambe no nitrangan’izany. Voalaza fa vehivavy ny iray amin’ireto jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana ireto. Raha ny angom-baovao voaray teny an-toerana, telo lahy samy nitondra basy PA no niditra an-keriny tao amin’ilay tranombarotra, ny telo hafa nandraoka ny vola rehetra tao amin’ny fitoeram-bolan’ireo mpamongady. Tsy vitan’ny teo am-pivarotana ihany fa nidiran’izy ireo nasesy koa ny tao amin’ny trano fonenan’ny tompon’ny tranombarotra. Toy ireny amin’ny horonantsarimihetsika ireny no nanavaon’ireo jiolahy ny fanafihana, araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso.
« Manaraha izay sahy», hoy ireo jiolahy
Nilaza izy ireo fa olona efa za-draharaha amina fanafihana sy fampiasana fitaovam-piadiana ireto mpanafika ireto. Ny telo lahy nisaron-tava nitondra basy sady nampihorohoro ny tompon’ny tranombarotra raha efa niandry teny ivelany tamin’ny moto ny telo hafa. Nitsoaka nihazo ny lalam-pasika ireo jiolahy taorian’izay. Tsy vitan’izay fa mbola nanapoaka basy izy ireo teny an-dalam-pitsoahana mba tsy hahasahian’ireo olona manenjika. Nandrahona mihitsy ireo olon-dratsy fa tsy hitsitsy hitifitra raha misy manaraka na manakana ny lalan’izy ireo. « Manaraha anay izay sahy », hoy ireo jiolahy teny am-pitsoahana. Nihorohoro rahateo ireo olona teny amin’ny manodidina ka nitazam-potsiny.
Sajo/J.C