Notadiavin’ny fitsarana : dahalo roa maty voatifitry ny zandary

Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifanenjehana tao Maroharona, fokontany Am­ba­lamarina, kaominina am­banivohitr’Ambatomifanongo, distrikan’Ambatofinan­dra­hana, ny zoma teo, ny dahalo roa lahy. Nahazo fampandrenesana avy amin’ny sefo fokontanin’Ambalamarina ny zandary momba ny fisian’ireo andian-dahalo nanafika tao amina tokantrano iray. Lasan’ ireo dahalo nandritra io fanafihana io ny omby efatra. Na­nao fanarahan-dia avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambon­dro­misotra sady nametraka ny sakana rehetra amin’ireo toerana mety handalovan’ireo malaso. Nifanehatra tamin’ny mpanara-dia tao Ambohitram­bony, fokontany Malaindromi­sotra, kaominina ambanivohitr’i Soavina, ireo dahalo. Nisy ny fifandonana ka dahalo iray maty voatifitra. Navelan’ireo namany ny omby halatra. Nanao savahao ny zandary niaraka tamin’ny tompon’omby, ny sabotsy marina teo. Hita nandritra izany fa mbola nisy dahalo iray niafina tao an-dohasahan’Ambohitrambony ka raikitra indray ny fifanenjehana. Mafy ny fifandonana ka tsy naharesy tosika ireo mpanara-dia ilay malaso. Vokany, maty rotiky ny balan’ny zandary koa izy. Tsy nisy ahafantarana azy ilay dahalo maty voalohany fa ilay faharoa kosa nahitana karapanondro. Mate­tika voarohirohy amina halatr’omby ireto dahalo maty ireto sady mbola tadiavin’ny fitsarana kanjo izao namoy ny ainy izao.

J.C

Partager sur: