Hakana haba 5% ny vola matin’ny orinasa (chiffre d’affaires) ho an’ny fifanakalozam-bola eo amin’ny finday, araka ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (PLFI) 2025.
Lany teny amin’ny Lapan’ ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, ny zoma teo, ny volavolan-dalàna laharana faha-022/2024 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana (PLFI) ho an’ny taona 2025. Voatazona ny fisondrotan’ny haba alaina amin’ny fifanakalozam-bola eo amin’ny finday saingy miova ny kajy itondrana izany. Naroson’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, fa ny vola matin’ ny orinasa (chiffre d’affaires) no hakana ny haba 5%. Noho izany, “hametraka drafitra hanara-maso sy hahafantarana ny vola maty kosa ny fitondram-panjakana sy ny tomponandraikitra voasakasik’izany”, hoy ny minisitra. Marihina fa tsy nanaiky ny fakana haba 0,5% amin’ny fifanakalozam-bola mihoatra ny 150 000Ar ireo mpandraharaha telo amin’ny Mobile money, antony nijerena manokana ity sehatra ity. Hiantraika mivantana amin’ny fikirakirana vola ka hampihemotra ny fampiasana ny teknolojia niomerika ary hipaka amin’ny toekarena ny fepetra noraisin’ny fitantanana ny hetra mahakasika ny fakana haba 0, 5% voalaza teny ambony.
Toekarena
Mifototra amina hevi-dehibe efatra ny PLFI 2025. Vinavinaina hiakatra 5% ny harin-karena faobe ho an’ny taona ho avy ka ahazoana izany ny seha-pihariana voalohany sy faharoa. Vinavinaina hiakatra 5 426,4 miliara Ar ny vola azo amin’ny alalan’ ny hetra anatiny. Mitaky “mesure législative et administrative” izany mba hampisy fitantanana ny hetra mangarahara sy manaraka ny toetrandro ka ampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Hametraka paikady hanatsarana ny haban-tseranana ny fitondram-panjakana izay vinavinaina hampidi-bola hatrany amin’ny 4 366 miliara Ar. Hanamafisana ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny entana sy ny vola miditra amin’ny alalan’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Ahena 764,6 miliara Ar ny fandaniana ho an’ny fampandehanan-draharaha ho an’ny taona ho avy raha hampakarina 3 745,4 miliara Ar kosa ny famatsiam-bolan’ ireo tetikasa goavana eto amin’ny firenena.
Henintsoa Hani