Praiminisitra Ntsay Christian : “Hampitomboina ny taham-bokatra”

“Ny zava-dehibe dia izao: hampiakarintsika ny taham-bokatra eto Madagasikara. Amin’izay fotoana izay, mahazo mivelona tsaratsara ny vahoaka malagasy. Afa-miahy ny fianakaviana izy eo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny fanabeazana, indrindra ny fiainana sy fihariana.” Izay no nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian tany Feno­arivo Atsinanana, faritra Analanjirofo, afakomaly, tamin’ny fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny sakafo sy fanombohana ny fankalazana ny faha-20 taon’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN). 39,8 % ny zaza latsaky ny dimy taona tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka manarena an’i Madagasikara. Manana vaha­olana maharitra hampidinana izany ho 28,6% ato ho ato ny fitondram-panjakana. Anisan’ izany ny fampiakarana ny taham-bokatra. Tsy vary fotsiny, fa vokatra rehetra misy eto Madagasikara.
Tsy maintsy jerena ny vahaolana maharitra. Izay no nametrahana sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo, hijerena manokana ny fampiakarana ny famokarana. Izay no ametrahana ho laharam-pahamehana amin’izao ny fampidirana ny masomboly voafantina toy ny vary. Hatao ny fahazoan’ny Malagasy mifehy ny fambolena masombolin’ny vary safiotra. Anisan’izany koa, ohatra, ny fametrahana fitahirizan-tsakafo raha mbola tsy tonga ny fahavaratra. Rehefa tonga ny fotoam-pambolena sy ny fahavaratra, misy sakafo ho an’ny Malagasy. Eo koa ny fametrahana foibe momba ny fanjarian-tsakafo amin’ny toerana maro manerana an’i Madagasikara. Mba hahazoana mandray an-tanana ny fahasalamana sy ny fanjarian-tsakafo ho an’ny ankizy sy ny fianakaviana izany.

R. Nd.

Partager sur: