Tompondakan’i Afrika-“FIBA 3×3”: nanao pao-droa ny Ankoay!

Nampiseho ny fahaizany tanteraka ny ekipa malagasy nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, natao teto Madagasikara. Norombahin’ny Ankoay ny amboara, teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “Fiba 3X3 Africa Cup”, ho an’ny taona 2024. Voahosotra ho tompondaka ny Ankoay lahy sy vavy. Tsy izany ihany fa mbola voafidy ho mpilalao mendrika indrindra ihany koa ny Malagasy mpilalao, teo amin’ny sokajy vehivavy, i Minoharisoa Jaofera Christiane. Teo amin’ny lehilahy ihany koa, voahosotra ho mpilalao mendrika, Ratianarivo Livio. Raha hiverenana ny famaranana omaly, isa 20 no ho 15 no nandavoan’ny Ankoay vavy, ny ekipan’i Egypta, taorian’ny lalao. Nifandimby hatrany ny fampidiram-baolina hatreo amin’ny minitra 1 tsy hifaranan’ny fihaonana. Nanezaka mafy kosa ny ankoay tamin’ny minitra farany ka nahavita nampiditra isa 5 nisesy, nahatafavoaka azy ireo ho mpandresy. Teo amin’ny sokajy lehilahy, fampisehoana tanteraka no nataon’ny Ankoay nanoloana an’i Rwanda, nandritra ny lalao famaranana. Nibanaka tanteraka ny isa teny amin’ny solaitrabe ary azon’ny Malagasy 2 minitra tsy hifaranan’ny lalao ny isa 21. Araka izany, isa 21 no ho 3 be izao no nandavoan’i Madagasikara ny ekipan’i Rwanda. Nisaotra manokana ireo mpanohana marobe tonga teny Mahamasina ny Ankoay fa hery lehibe ho azy ireo ny fanohanana ary antoka iray nahazoana iny amboara iny. Teo amin’izay vokatra izay hatrany, laharana fahatelo, teo amin’ny sokajy vehivavy, ny ekipan’i Kenya, raha toa ka i Algérie ny fahatelo, teo amin’ny sokajy lehilahy.

Hanao “Mondial” ny Ankoay
Tsy ny anaram-boninahitra ihany no azon’ny ekipa malagasy nandritra ity “Africa Cup 3×3” ity, fa azon’izy ireo ihany koa ny tapakila ho fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3, taona 2025. Tsiahivina fa izay ekipa roa voalohany tamin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika ity no hiatrika izay “Mondial” izay. Nahazo ny tapakila, araka izany, i Madagasikara sy Egypte, ho an’ny vehivavy ary i Madagasikara sy i Rwanda kosa, ho an’ny lehilahy.

Mi.Raz

Partager sur: