Hetsika ara-kolontsaina nahasarika mpankafy malagasy maro ny “Urban Heart”. Nampisehoana ireo karazana kolontsaina an-tanàn-dehibe amin’ny endriny maro.
Tontosa omaly, tetsy amin’ny zaridainan’Anosy, ny hetsika « Urban Heart », andiany fahadimy. Hetsika ara-kolontsaina maroloko, nokarakarain’ny Cercle Germano Malagasy (CGM). Misy ny fiaraha-miasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra nahafahana nanantanteraka ny hetsika. Fotoana iray nahafahana nampivondrona sy nampiroborobo ireo karazana kolontsaina an-tanàn-dehibe isan-karazany izy io. Ankoatra izay, hetsika ara-kolontsaina iray ahafahana mitaiza ny tanora sy nifampizarana kolontsaina ary fampiroboroboana ny vakoka misy eto Antananarivo ny antony nanaovana ny hetsika. Nahitana hetsika maro samihafa nandritra ny tontolo andro. Anisan’izany, ny sport extrème, nahitana ireo karazana kolontsaina mifangaro fanatanjahantena mitsambikina toy ny “parkour”, “trial” ary ny “vikina extrème”. Hita teny an-toerana ihany koa ny “sport de gliss”, nataon’ny gorisagorisa tamin’ny alalan’ny “skate board”, ny “rouleur”. Nahazo vahana ireo ny tapakandro maraina tontolo. Teo koa ny mozika, nandraisan-dry Bolo, Wada sy Yoongs, Fitia, Krutambull anjara, izay natao ny tapany hariva. Nahasarika malagasy maro ny hetsika tahaka itony, satria tsy dia fahita firy eto amin’ny Nosy. Nomena vahana nandritra ny tapany maraina ny “sport extrème” sy ny “sport de gliss”.
Kolontsaina avy any Amerika
Amin’ny ankapobeny, kolontsaina avy any Amerika ireo hetsika rehetra natao ireo fa efa manomboka mivoatra eto Madagasikara. “Ezaka atao anatin’ny hetsika ny fifampizarana sy fampahafantarana ireo kolontsaina hafa azo atao sy azo hiangaliana eto amintsika amin’ny tanora malagasy”, hoy Raodison Jenny, tomponandraikitry ny hetsika ara-kolontsaina eo anivon’ny CGM. “Tsy hijanona eto Antananarivo ihany fa ezahina ny hanapariaka izany amin’ny faritra maro samihafa manerana ny Nosy”, hoy hatrany izy. Hisitraka ny hetsika manaraka indray ny mponina any Toamasina amin’ny taona 2025 hoavy izao, raha ny fanazavana nataon’ny mpikarakara hatrany.
Mino