Manana hatramin’ny 10 desambra izay liana ho tomponandraikitra amin’ny fifaninanana sy fanatanterahana ny fifanarahana ara-barotra ny tetikasa PTASO. Afaka mametraka ny antontan-taratasiny ao amin’ny Immeuble Saifee, akaikin’ny hotel Saifee rihana voalohany, ao Toliara, na mandefa izany amin’ny adiresy mailaka coordonnateur@ptaso.mg sy dika mitovy ao amin’ny ptasocgp@ptaso.mg ireo liana handray ny andraikitra.
Nankalazaina ny sabotsy teo, tany Analalava, faritra Sofia, ny Androm-pirenena ho an’ny ady amin’ ny jono tsy manara-dalàna. Zava-dehibe ny fanarahan-dalàna amin’ny jono mba handrindrana ny fitantanana ny toekarena manga sy ny harena an-dranomasina. Atao izany hahafahana manana fanjonoana maharitra ho lovain’ireo taranaka fara-mandimby. Vonona hampihatra ny lalàna mifehy izany ny mponina any an-toerana.
Manana tanjaka 3 500 Wc sy mamokatra herinaratra 17,2kWh ireo takelaka mandeha amin’ny herin’ ny masoandro napetraka ao amin’ny kaominina Tsianisiha, Toliara. Manana tanjaka 2 100Wc sy mamokatra 13,5kW kosa ireo takelaka ao amin’ny kaominina Analamisampy. Tanjona ny hampiroborobo ny angovo azo havaozina eto Madagasikara sy hisitrahin’ny Malagasy rehetra herinaratra.