Vazo miteny sy tsapiky : hifandimby an-tsehatra i Tirike sy Samoëla

Mpanakanto roa samy andrarezina eo amin’ny karazan-kira manavanana azy. Samoëla, hitondra ny vazo miteny, i Tirike, haneho ny ha­kanton’ny tsapiky sy ny gadona avy any atsimon’ny Nosy. Ny alin’ny 31 desambra izao no hanatanteraka ny « Ré­veillon 2024 », eny amin’ny Espace Vohimasina, Ambo­hibao Ambohijanahary, Do­maine Manerinerina izy ireo. Ho heno sy ho hita mivantana eny an-toerana ireo hira maro tsy lefy laza ananan’ireto mpanakanto ireto. Anisan’ izany ny « Soly », « Havako mamomamo », « Tiavina »… Ny « Vinanto », « Misenge­sen­ge », « Anao zay »…
Satria, fetim-pianakaviana no tanterahina isaky ny faran’ny taona (31 desambra). Hanana endrika tahaka izany izy ity. Izany hoe, hifanatona akaiky ny mpanakanto sy ny mpanatrika (ny samy mpanatrika rahateo), raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Manamafy izany ny fisian’ny orkestra Fy Mozik eny an-toerana. Izy ireo izay manana traikefa matanjaka amin’ny fanafanana lanonana sy fanentanana isan-karazany, amin’ny alalan’ny hira sy mozika ary dihy. Ao ny hira amin’ny fiteny malagasy. Hisy koa ny amin’ny fiteny vahiny.
Fantatra fa hahazo laka manokana ihany koa ny tontolon’ny haify mandritra ity alim-pikoranana ity. Haneho ny fahaiza-mahandro eny an-toerana ry zareo avy ao amin’ny HM Restaurant sy ny Espace Vohimasina.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: