Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy hampiroborobo ny tontolon’ny fandraharahana ny fidirantsika ao amin’ny faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikanina (Zlecaf). Hanamora ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ ireo firenena samy afrikanina, amin’ny alalan’ny fanesorana ireo mety ho sakana rehetra, izany. Hanamaivana ihany koa ireo dingana samihafa amin’ny fanondranana.
Ankoatra izay, lany teny anivon’ny Antenimiera roa tonta ny volavolan-dalàna fankatoavana ny hidiran’i Madagasikara ao amin’ny Zlecaf. « Hitondra tombontsoa maro ho an’ny firenena ny fidirana ao anatin’io rafitra io », hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostra sy ny varotra, Ralambofiringa David, ny alakamisy teo, nandritra ny famelabelarana nataony tetsy Anosikely. Anisan’ireo mifanakalo ara-barotra akaiky amin’i Madagasikara ireo mpiara-miombon’antoka amintsika ao anatin’ny faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikanina izay hiantoka ny tombontsoan’ireo mpandraharaha. Vina hampiharina ny hahatongavana amin’ny «Afrika mivondrona sy mivelatra izay andrandraina », anisan’ireo fandaharanasa sangany eo anivon’ny Vondrona afrikanina.
Henintsoa H.