“Vehivavy ihany no mahafantatra ny marary ny zanany ka vonona izahay hanohana an’i Harilala Ramanantsoa”, hoy ny antoko Asa vita ifampitsarana (Avi). Nivoaka tamin’ny fahanginany Ratsirahonana Lala Norbert.
Nanao fanambarana teny amin’ny foibe toerany eny Antsahavola ny antoko Asa vita ifampitsarana na ny Avi, omaly. Nilaza ny mpitarika fa manohana ny kandidà laharana faha-7 atolotry ny Irmar ho ben’ny Tanàn’ Antananarivo Renivohitra ny antoko. Natolotra nandritra izany ny soatoavina sy ny hafatra ho an’ny kandidà Harilala Ramanantsoa. Efa azo antoka fa manana vahaolana amin’ireo olana sedrain’ ny mponin’Antananarivo izy.
“Anisan’ny irosoana amin’ny fitondrana tsara tantana ny ady amin’ny kolikoly, ohatra. Azo atao tsara ny miady amin’ny kolikoly”, hoy Ratsirahonana Lala Norbert. “Tsy mila manao fivoriana atrikasa etsy sy eroa izany, fa misy paika samihafa tsy maintsy apetraka isan’andro. Sanatria ve ny polisy monisipaly no manao ny ataony dia ny ben’ny Tanàna no voasoketa? Sanatria ny mpikarakara tsena no manao ny ataony dia ny ben’ny Tanàna no mizaka izany?”, hoy hatrany izy.
Mila hajaina ny demokrasia
Mba fantatry ny olona hoe mankaiza marina ny itondran’ ny ben’ny Tanàna ny tanàna, aiza marina ny tanjona haleha, ary inona ny fenitra tsy maintsy tratrarina. Izay no hoe mangarahara. Mahalala ny olona rehetra hoe mankatsy na mankaroa. Matoa mandoa hetra, fantatra izay ampiasana azy marina any amin’ny tokony hampiasana azy. “Matoa mandoa hetra ny olona, misy setriny ho azy ataon’ny mpitondra fanjakana na ny ben’ny Tanàna izany”, hoy ihany izy. Soatoavina mila hajaina eto amin’ny firenena ny demokrasia. Eo ihany ny hoe mpitondra sy mpanohitra, fa tsy any ny olana. Ny tsy ampy eto amin’ny firenena indraindray dia ny tsy fifampihainoana. Mila henoina ny mpanolotsain’ny Tanàna, ny mpivarotra, ny mpitatitra…
R. Nd.