“Basikety-Africa Cup 3×3” : nomen’ny filoham-pirenena “prime” ny Ankoay

Noraisin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, omaly, ny Ankoay. Vao avy nandrombaka ny amboaran’i Afrika 3X3 izy ireo. Nahazo fanomezana avokoa ny mpilalao, ny mpanazatra sy ny staff teknika.

Tsy niandry ela, ny ampitson’ny fandresena dia efa noraisina teny amin’ ny Lapam-panjakana Ambohi­tsorohitra ireo mahery fo malagasy, nitondra avo ny voninahi-pirenena nandritra ny “Fiba 3X3 Africa Cup”, natao ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nisa­otra azy ireo ny filoham-pirenena tamin’ny zava-bitan’izy ireo, ka nanandratra avo ny fanevam-pirenena. Nisy ny “prime de victoire” nomen’ny filoha ireo mpilalao 10 mianadahy sy ireo mpanazatra 4 mianadahy ary ny Staff teknika nandrafitra ny kaomisiona nikarakara iny “Africa Cup” iny. Ankoatra izay, hahazo “avancement spécial” ireo mpilalao zandary sy polisy ary hotolorana mari-boninahitra ihany koa.“Tsy fandresen’ny Ankoay irery iny fa an’ny Malagasy rehetra”, hoy ny filoha, Rajoelina Andry. Nambara­ny fa rehefa mametraka fanamby dia tsy maintsy tratra ny tanjona. Vonona ny hanohana ny tanora sy ny fanatanjahantena hatrany ny fanjakana. Toky ihany koa no nomen’ny filoha fa hanampy ny Ankoay izy, amin’ny fiatrehan’i Madaga­sikara ny fiadiana ny amboara maneran-tany, any Mongolie, ny taona 2025.
Tetsy ankilany, nisy ny toromarika nomeny ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny mba hijerena ny mahakasika ny fiofanana ho an’ny Ankoay any ivelany. Tafiditra amin’ny fanomanana ny fifaninanan iraisam-pirenena hatao amin’ny taona ho avy izany. Tanjona ny ho famaliana ny fangatahan’ny federasiona sy ny mpilalao. Noha­mafisin’ny filohan’ny kaomisiona mpikarakara, ny jeneraly Zafisambo Ruphin, rahateo fa anisan’ny nahazoana vokatra tsara ny fakana traikefa any ivelany.

Misy lamina
Taorian’ny mpilalao basikety, miandry ny anjarany ireo tompondaka maneran-tany, teo amin’ny taranja Jiu-jitsu sy ireo tompondakan’i Afrika, teo amin’ny taranja Judo sy ny taranja hafa. Nanambara ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, raha na­nontaniana mahakasika izany, fa mbola misy lamina ape­traka.

Mi.Raz

Partager sur: