Fanabeazana ara-bola: ampirisihina hampiasa vola ny olona

Niompana tamin’ny fanabeazana ara-bola ny fivoriamben’ny mpikambana ao amin’ny sampana ara-bola madinika na mikraofinansa Smmec, ny sabotsy teo. Ni­ompana tamin’ny fanomezana azy ireo hahay hitantana ny volany araka ny tokony ho izy ny fiofanana, naharitra adiny iray sy sasany. Tafiditra ao anatin’izany ny fampirisihana azy ireo hitahiry sy hampiasa vola. Ankehitriny, mitahiry ny volany ao amin’ny Smmec ny 50% ny mpikambana.
Nohazavain’ny tale jeneraly lefitra (DGA) ny masoivoho Vonjy, i Hery Mamy Michel, fa ilaina ny manao an-tsoratra ny tetibola isam-bolana ny mpikambana. Ho an’ny fandaniana, misy ny atokana ho an’ny vola mivoaka raikitra (sakafo, hofantrano, saram-pianaran’ny ankizy, saram-pitaterana, Jirama, ….), manodidina ny 50%. Eo koa ny fandaniana sokajiana haitraitra (30%), toy ny fi­tsangatsanganana na ho an’ny fialantsasatra, sns. Ary ho an’ny tahiry na ny fampiasam-bola ny 20%, ahafahana manao tetikasa. Toromarika nomeny ny hifehezana ny fandaniana ary velarina ny fidiram-bola.

Njaka A.

Partager sur: