Mitohy hatrany ny fanabeazana sy fanentanana ny olom-pirenena handray anjara amin’ny fifidianana ataon’ny Ceni. Nisy ny hetsika manokana fanomezana karapanondro sy kara-pifidianana ho an’ireo mpifidy traboina tao Ivandrika Farafangana, omaly. Ny filohan’ny Ceni, i Dama Arséne, no nitarika izany tany an-toerana niaraka tamin’ireo olom-panjakana sy tomponandraikitra avy ao an-toerana.
“Taom-pahombiazana ho an’ny diplomasia malagasy ny taona 2024”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika, nandritra ny fananganan-tsaina, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy. Ankoatra ny naha voatendry an’i Madagasikara ho sekretera jeneralin’ny COI, maro ihany koa ireo masoivoho nosokafana any ivelany. Anisan’izany ny ao Maroc sy ny Firenena arabo mitambatra.
“Tokony hatao mazava tsara ny mahakasika ny fampitomboana ny andro ahafahana mampiditra anarana ao anaty ny lisi-pifidianana” hoy i Lalatiana Ravololomanana. Antoko sy mpanao politika maro samihafa ihany koa no naneho ny heviny mahakasika ity fanapahan-kevitry ny Ceni ity. Miantso ny fiarahamonina sivily sy ireo olom-pirenena, araka izany, izy ireo mba hanara-maso akaiky ny fifidianana.
Zava-dehibe ny hisian’ny filaminana sy ny fitoniana ao anatin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tany Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Miantso ny olom-pirenena hanefa ny adidiny sy ny andraikitra amin’ny 11 desambra amin’izany fifidianana izany izy.