Harena an-kibon’ ny tany: misy ny fikaonandoha mahakasika ny fitrandrahana vaventy

Hatao manaraka ny vanim-potoana ny lalàna mahakasika ny fitrandrahana vaventy ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara (LGIM). Ilaina izany taorian’ny nanavaozana ny lalàna ny jolay 2024 teo.

Natao teny amin’ny efitrano malalaka, Mining Business Center (MBC) Ivato, omaly 2 desambra, ny fikaonandoha mahakasika ny fitrandrahana vaventy ny harena ambanin’ny tany. Nitarika ny fotoana ny minisiteran’ny Hare­na an-kibon’ny tany, niaraka tamin’ireo mpisehatra isan-tsokajiny, ny avy amin’ny fanjakana, ny fiarahamonim-pirenena ary ny mpandraharaha amin’ny fitrandrahana vaventy. Maro ny lohahevitra nodinihina, eo ny fandraisana anjaran’ny tetikasa vaventy eto amin’ny firenena, ny faritra ary ny eny ifotony. Ny anjaran’ity sehatra ity amin’ny fampananana asa mandritra ny dingana fanorenana fotodrafitrasa sy ny fitrandrahana. Noresahina ny lafiny ara-ketra sy ny haban-tseranana. Eo koa ny fetra azo ekena amin’ny karazana fampiasam-bola, ahafahana mamaritra ny hetra sy ny haban-tseranana tokony hiditra amin’ny fanjakana. Nasian-teny ny andraikitry ny Komitim-pirenena misahana ny harena an-kibon’ny tany sy ny an’ny Vaomiera misahana ny harena an-kibon’ny tany vaventy, amin’ny fanaraha-maso ny asan’ny mpitrandraka vaventy, araka izay voafaritry ny lalàna vaovao, nivoaka ny jolay 2024 teo.

Tombontsoan’ny rehetra

Dingana manaraka ny fanangonana ny fanehoan-kevitra sy ny fitakiana avy any amin’ireo mpisehatra samihafa, araka ny fe-potoana napetraka. Haroso any amin’ny rafitra isan-tokony sy ny an-tanan-tohatra samihafa avy eo ny volavolan-dalàna vaovao mahakasika ny LGIM. Tanjona ny hitsinjovana ny tombontsoan’ny mpisehatra rehetra, mba ha­hazoana antoka ny lalàna vaovao fa mifanaraka amin’ny filan’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, indrindra amin’
ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Tsiahivina fa mi­isa 20 ny tetikasa goavana mahakasika ny fitrandrahana vaventy ato anatin’ny 5 taona manaraka.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: