« Hanova sy hitondra fampandrosoana ho an’ny tanànan’ Antananarivo no tanjonay», hoy i Lalatiana Ravololomanana, mpanolotsaina miray lisitra amin’ny kandidà Ndriana Razanamasy mirotsaka ho fidina ben’ny Tanàna eto Antananarivo. Nisy ny fihaonana ho an’ny mpanao gazety nataony omaly, teny amin’ny birao fiasany, teny Analakely. Tao anatin’izany no nitaterany ny zava-bitan’izy ireo nandritra ny fampielezan-kevitra. Nanazava ny fomba fiasany sy ny fandaharam-potoana amin’izao herinandro farany izao koa izy.
“Hevitra sy vinanasa no ahely fa tsy manao tabataba manelingelina mponina sy manohintohina ny fifamoivoizana.” Izany no fomba fiasan’ ny Iarivo Mandroso sy ny mpiara-dia aminy nandritra ny fampielezan-kevitra. Tao anatin’ny fanarahan-dalàna tanteraka, niezaka ho fitaratra ho an’ny rehetra ny Iarivo Mandroso tao anatin’izany. Anisan’izany ny fametahana afisy amin’ny toerana voatokana. Fokontany 145 amin’ireo 192 misy eto Antananarivo Renivohitra no voatety tao anatin’izany.
Ankoatra ny fanentanana ny olom-pirenena hifidy, nentanina koa ireo mpilatsaka ho fidina sy ny mpikirakira fifidianana ny amin’ny tokony hanaovana ny fifidianana ao anatin’ny ara-dalàna. “Andeha ovaina ny fomba fanao tsy nahomby hatramin’izay ka ny fampandrosoana sy ny vahoaka no tanjona”, hoy ny Iarivo Mandroso teny am-pamaranana.
Lin