Anisan’ny mendrika hisitraka sy hianoka ny zavakanto miavaka ny Malagasy, indrindra ny ankizy. Izany no anton’ny hetsika fampahafantarana ny « L’enfant et le tambour de nuit ».
Taorian’ny fitetezana faritra maro. Anjaran’ny eto Antananarivo indray izao no handray ny compagnie Miangaly theatre, miaraka amin’ny piesy teatraly «L’enfant et le tambour de nuit». Rahampitso tolakandro, ao amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba no hanatanterahina izany. Fiaraha-miasan’ny masoivohon’i France eto Madagasikara sy ny Alliance française ary ny compagnie Miangaly theatre no hahatanterahana izao hetsika izao. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fitetezana ireo Alliance française amin’ny fampahafantarana ity piesy teatraly ity ny fampisehoana ho tanterahina rahampitso. Ankoatra ny fampiroboroboana ny zavakanto, tanjon’ny hetsika ny hampivelarana ny teny frantsay ho an’ny ankizy.
Angano lalaovina an-tsehatra iray nosoratan’i Jean Luc Raharimanana ny «L’enfant et le tambour de nuit». Tantara maneho trangam-piainana ankizilahy fito taona izay mandre feon-kira amin’ny alina. Feon-kira izay tsy re intsony raha vao misokatra ny masony. Tantara mitondra anao ao anatin’ny tontolon’ny nofinofin’ny fahazazana izy ity. Mampahafantatra ihany koa fa ny majika dia natao niainga tamin’ny zava-misy. Maharitra 35 minitra izy ity ary ny compagnie Miangaly theatre no milalao azy an-tsehatra.
Zavakanto feno
Tena zavakanto feno tokoa izy ity satria sady manabe no mampiala voly. Maro ireo mpahay zavakanto resy lahatra tanteraka aminy, na ny eto an-toerana na ny any ivelany. Ankoatra an’ireo Alliance française nandalovan’ny «L’enfant et le tambour de nuit», efa maro ihany koa ny hetsika ara-javakanto teto an-toerana sy tany ivelany nandraisany anjara. Anisan’izany ny “Festival Marché des arts du spectacle africain» tany Cote d’Ivoire, ny «La francophonie entre scènes et jardins» tany France.
Lin