Efa avy matetitetika izao ny orana. Manomboka mahavelombolo ny mijery ny manodidina ny Renivohitra. Miverina mihamaitso tsikelikely ny tampon-kavoana avy nodoran’ireo tsy mataho-tody. Manomboka mikoriana ny rano avy any an-tampon-tendrombohitra isan-karazany. Miakatra tsikelikely ny loharano izay efa kina tanteraka nandritra ny volana vitsivitsy.
Eny e! mbola manjavona aloha ny tanàna na izany aza. Tsy afaka manadio ny rivotra efa voapoizina tanteraka ny orana hatreto. Mbola mahazo vahana ny karazana aretina vokatry ny fahalotoan’ny tanàna. Miakatra ny tahan’ny marary manatona mpitsabo. Mahita faisana ny sokajin’olona marefo, indrindra ny tsy zatra miakatra aty amin’ny tanàn-dehibe.
Mifanindran-dalana amin’izany, manomboka ny faharavan-trano etsy sy eroa. Vokatry ny fanorenana tsy manara-penitra, efa misy ny mamoy ny ainy. Manginy fotsiny itony mpiasa madinika maty an-davaka voalaza amin’ny lahatsoratra etsy am-pita (pejy 2). Tsy vao sambany no misy mamoy ny ainy tototry ny tany na sempotra. Mila fahamalinana sy fahamailoana tanteraka izany!
Tsy hita izay homen-tsiny, na ho ampangaina fa tompon’ andraikitra. Tsy misy afaka ny hanilika ny fahavoazana amin’ny hafa, raha ny tena aza tsy mahavita miahy ny momba azy. Miainga amin’ny isam-batan’olona ny fitandremana sy ny fisorohana izay mety ho voina hiseho. Toraka izany koa ny fikojakojana ilay tanàna, tsy ho dobo rano noho ny loto manentsina ny lakandrano.
Dia voa roa na telo mihitsy anie amin’ny tandrevaka atao io! Tsy vitan’ny milona ranon-diky fa mbola volabe ihany koa ity fibatabatana, rehefa hiampita arabe anaty ora-mikija. Ny fitsaboana sy vidim-panafody moa tsy an-jaza ara-bakiteny. Fehiny, samia manao izay manandrify azy amin’ny fiarovana ny ainy sy ny ankohonany, ary ny manodidina azy!
r.r