Nanadio lavadrano teny Ankaraobato : lehilahy maty sempotry ny entona

Namoy ny ainy noho ny hasemporana ny lehilahy iray nanadio lavadrano tao amin’ny kaominina Ankaraobato, omaly maraina. Nifamonjena izy saingy tsy tana ny ainy.

Maty am-perinasa ny lehilahy iray, mpiady fantsakana, omaly. Sempotra tao anaty lavaka izy, araka ny fitantaran’ny mponina eny amin’ny fokontany Morarano Ifarihy, kaominina Ankaraobato. Tra-doza teo am-pikaramana, hanadiovana ilay lavadrano izy.
“Nidina tany amin’ny faran’ny lavaka nanatanteraka ny asany izy. Tery ny fiakarana sy fidinana ny lavaka noho ny hakeliny ny lavaka ao anatiny. Tampoka, nanomboka tsy nahazo rivotra io mpanadio io. Nampiahiahy ny olona tety an-toerana izany. Niezaka niantsoantso azy ny tety ivelan’ny lavaka saingy tsy naharenesam-peo izy. Niantso mpamonjy voina avy hatrany izahay”, hoy hatrany ny fitantaran’ny nanatri-maso.

Nifampisintomana

Naharay ny fampandrenesana avy amin’ny tsara sitrapo ny mpamonjy voina. Nidina avy hatrany teny an-toerana, omaly maraina. Nijery ny zava- misy, niezaka nanao ny fomba rehetra hanavotana ilay lehilahy tavela tao anatin’ny lavaka izy ireo. Nampiasa ny fitaovana rehetra nahafahana nisintona ilay tra-doza. Na­nampy tamin’ny vonjy voina ny vatan-dehilahy ampolony, teny an-toerana.
Vokatry ny fiarahan’ny re­hetra nientana, tafavoakan’ny sampana mpamonjy voina ihany ilay niharam-boina. Efa tsy nisy fofonaina intsony izy, rehefa tafakatra tety ivelan’ilay vovondrano. Nisy ny fizahana natao azy ka voamarina fa fahasemporana nateraky ny entona no nahafaty azy. Ma­namafy izany ny fanazavan’ny mpamonjy voina, nanao ny asa vonjy taitra teny an-toerana. “Mila fahafehezana ny asa atao mba hisorohana ny loza tahak’ity niseho tao Ankarao­bato ity”, hoy ny fanamafasin’ireto farany.

Tsiferana R.

Partager sur: