PFL : nanao ady sahala ny Mama FC sy ny AS A

Niakatra an-tsehatra ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny klioba vaovao amin’ity fifaninanana “Pureplay Football League (PFL)”, ity, ny AS Avenir Ste Anne. Nahazo isa iray izy ireo tamin’ity andro voalohan’ny PFL ity, rehefa nanao ady sahala, 1 no ho 1, tamin’ny ekipan’ny Mama FC.
Tsara marihina fa ity kliobam-piangonana ity no nitarika 1 no ho 0 voalohany, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Nandritra ny fidirana faharoa, niezaka nanenjika ny isa ihany ry zareo Mama FC, ka niafara tamin’ny isa 1 no ho 1, ny fifanandrinan’ny roa tonta.
“ Niady tanteraka ny lalao, ary azo lazaina fa tsara ihany ny vokatra satria tsy resy izahay. Sambany izahay vao mifanintsana amin’ity diviziona voalohany ity, ary efa manomboka hitan’ireo mpilalao sy ny mpanazatra ny lesoka sy ny tsy ampy amin’izany. Vonona tanteraka ny klioba haka ny amboara sy ny ho tafita amin’ny dingana manaraka” hoy Randrianarison Emile, filohan’ny klioba AS Avenir Ste Anne.

Fitia Randria

Mitaraina
Maro amin’ireo klioba mifanintsana amin’ny fifaninanana nasionaly PFL no mitaraina mahakasika ny tsy fahatomombanan’ny fifanintsanana, omaly. Anisan’izany ny fiovan’ny kianja hilalaovana, izay nahitam-piovana tamin’ny ora farany. Araka ny fanadihadiana natao teny Iavoloha, mangataka amin’ny mpikarakara izy ireo mba hanome ny fandaharan-dalao mazava rehetra mandritra ity fifanintsanana ity, mba hisian’ny fandaminana eo amin’izy ireo.
Raha tsy misy ny fiovana farany, mety hitsahatra amin’ ity andro voalohany ity indray ny PFL ka ny taona 2025 vao hitohy.

Partager sur: