Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Base aéronautique 213 Arivonimamo, ny dingana fahadimy sady farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny Run na ny Final Round. Voahosotra ho tompondaka fanindroany indray Boarilaza Herizo (Bobo), nitondra ny fiara Mitsubishi Evo V avy amin’ny klioba BRC. Tontosany tao anatin’ny 9, 643 s. Tsy tratra izany ny fe-potoana latsaky ny 9 s, tamin’ity. Tsy mbola montsana, araka izany, ny 9, 251 s, vitan’i Bobo, ihany nandritra ny dingana fahefatra.
Tsiahivina fa efa nahazo isa 19 mialoha an-dRasolojaona Tahina (Jaytaxx), nitaingina ny fiara E30 XDrive, ny lehilahy. Ity mpifanandrina aminy ity, izay tsy nahatontosa ny hazakazaka noho ny olana teknika nahazo ny fiarany. Nanana ny fe-potoana tsara ihany koa Rafanomezantsoa Jean de Dieu (Vazaha), nahavita ny fifaninanana tao anatin’ny 9, 685 s ary nitana ny laharana faharoa. Fahatelo, i Ronald, nitondra ny fiara Golf ST. Tompondaka teo amin’ny sokajy Super run i Jimmy raha Ratsivahiny Brayan, teo amin’ ny tanora.
Torcelin