TARATRY ny KANTO

Hiaka-tsehatra eny amin’ny CCI Ivato, ny 13 desambra 2024, i Amine Radi. Izy izay mpanao ha­tsikana teratany Marokanina. Manana ny maha izy azy eo anivon’izao tontolo izao. Seho manodidina ny
150 000 no efa vitany ary ampolony ireo firenena efa nanaovany fampisehoana. Mialoha ny hahatongavany eto Madagasikara. Hisy ny seho ataony ao Paris, sy Abidjan ary Londres.

“154 ème Concert classique de midi”. Ny talata 17 desambra izao, hanomboka amin’ny 1 ora ka hatramin’ny 2 ora tolakandro. Hotanterahina ao amin’ny IFM Analakely ny seho, hiarahana amin’ny Choeur et Orchestre d’Andohatapenaka, tarihin’i Antsanirina Rakotoarimino. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’izany ny famelomana indray ny sanganasan’i G. Teleman, W.A Mozart, Ray Ventura, Charles Trenet, John Rutter…

Mitohy ny lalana ho an’ny « Disco Afrika: A Malagasy story ». Voafidy handray anjara amin’ny «Festival international du film Transsaharien», izay hatao any Maroc, ny 9 hatramin’ny 13 desambra izao, ity sarimihetsika notontosain’i Luck Razanajaona ity. Hilahatra sy hifaninana amin’ireo sarimihetsika avy amina firenena maro, izay nosafidian’ny mpikarakara any an-toerana, araka izany, ity vokatra malagasy ity.

Partager sur: