Nohazonina vonjimaika any Antanimora, omaly, ilay voarohirohy ho nandroba sady nikasa hanolana vehivavy iray teo Tsiadana, Boriborintany faharoa. Hamonjy fodiana, nosakanan’ny telo lahy ny renim-pianakaviana iray teny an-toerana, ny zoma 29 novambra tamin’ny 9 ora alina. Tsy nisy na inona na inona teny aminy fa finday tsotra niampy ny kapa teny an-tongony no nentin’ireo olon-dratsy. Nokasain’izy ireo haolana io lasibatra io kinanjo nisy olona nandalo tampoka. Nirifatra nandositra ireto farany saingy fantatr’ilay mpandalo avokoa ny endrik’izy ireo. Nidinan’ny fianakavian’ny niharam-boina tany amin’ny trano fonenany ny roa lahy. Natolotra ny mpitandro filaminana taorian’izay. Nahazo fahafahana ny iray izay tsy ampy taona raha toa ka voatana vonjimaika eny Antanimora ilay namany.
Tsiferana R.