Autisme Madagascar: Niova ho Mouvement pour la différence 

Tao anatin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana, omaly, nanao fanambarana ny fikambanana Autisme Madagascar. «Tsapan’ny mpitantana ny fikambanana fa mbola fanamby ny ady amin’ny fanilikilihana ny olona manana fahasembanana eny anivon’ny fiarahamonina eto Madagasikara. Tsy ny olona autiste ihany no iharan’izany fa ireo rehetra manana fahasamihafana. Mba ho fiadiana amin’ny fitoviana sy ny fampiatiana, hiova ho Mouvement pour la différence  ny fikambanana autisme Madagascar”, hoy ny filoha lefitry ny Mouvement, Rasolondraibe Rija Tahiana, teny Ampasamadinika, omaly. Ho an’ny telo taona ho avy, hifototra amin’ny asa efatra ny Mouvement. Voalohany ny fizakan-tenan’ny olona manana fahasembanana, ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy. Manampy ireo ny zo mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana ary farany ny autisme sy ny karazana fahasamihafana.
Hijery manokana ny zo sy ny fampiatiana ny olona manana fahasembanana eo anivon’ny fiarahamonina, eto an-toerana, no vina lehibe hotratrarina. “Niainga tamin’ny traikefa niainana teo anivon’ny fikambanana autisme nandritra ny 10 taona sy ny fahitana ny fisian’ny vokatra tsara ny fanentanana sy ny adisisika natao ho an’ny olona autiste ny hetaheta hitondra fiovana. Nitafa tamin’ny Réseau malgache handicap koa ny fikambanana. Tapaka fa hatambatra ho tambajotra ny hetsika iadiana amin’ny fanilikilihana sy ny fandalinana ny fahasamihafana”, hoy ny mpanolotsaina ao amin’ny Mouvement, ny maître Rafanomadio Arlet­te.

Vonjy

Partager sur: