Manao tohivakana ny fandraisan’ireo mpiara-miombon’ antoka sy mpanohana ny taranja basikety, ekipa Ankoay, vao avy nandrombaka ny amboaran’i “Afrika 3×3”, ny faran’ ny herinandro teo. Omaly, ny Yas Madagasikara indray no nandray sy niarahaba azy ireo, teny amin’ny Campus Andraharo. Ankoatra ny fankasitrahana tamin’ny ezaka vitan’ny Ankoay, sokajy lehilahy sy vehivavy, notoloran’ny Yas 4 tapitrisa Ariary avy ireo mpilalao 8 mianadahy sy ireo mpanazatra 4 mianadahy. Amin’ny maha mpanohana voalohany ny fanatanjahantena sy ny basikety malagasy azy ireo no anton’izao fanohanana tsy misy fepetra izao, araka ny nambaran’ny Tale jeneralin’ny Yas Madagasikara. Tsy diso anjara ihany koa ireo Staff teknika fa homena fanomezana manokana ihany koa, halefa amin’ny laharana finday Yas. Nanamarika ity fandraisana ny Ankoay, omaly, ity ny fandraisam-pitenenan’i Stacy, mpilalao nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Tamin’izany no nankasitrahany ny ezaka sy ny fikirizan’ireto Ankoay, lahy sy vavy, ireto. Tetsy ankilany, nanolotra fisaorana ny Yas ireo mpilalao, izay teo foana tamin’ny fifaninanana rehetra nataon’izy ireo. Mbola mangataka fanohanana hatrany ireto ekipa malagasy ireto, amin’ny fanomanana sy fiatrehana ny fiadiana ny amboara maneran-tany hatao any Mongolie, amin’ny taona 2025.
Mi.Raz