Nisy ny atrikasa ho fisorohana ny olana momba ny fikirakirana voka-pifidianana, tany Antsirabe, nifarana omaly. Tsy maintsy atao mangarahara ny fifidianana, araka ny nambaran’ny Ceni nandritra izany.
“Fototra iorenan’ny demokrasia sy fampiharana mivantana ny fitsinjaram-pahefana eto amin’ ny firenena ny fifidianana ben’ ny Tanàna sy mpanolotsaina”, hoy ny filoha lefitra voalohan’ ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina. Tamin’ny atrikasa niarahan’ny Ceni sy ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana ary ny Filankevi-panjakana naharitra roa andro, tany Antsirabe, nifarana omaly, no nanambarany izany. Hialana amin’ny fifanolanana sy hisorohana ny olana momba ny fikirakirana voka-pifidinana ny atrikasa. Eo koa ny fanaraha-maso, ny fomba fikirakirana sy fiarovana ary fitahirizana ny voka-pifidianana. Ny Ceni no tompon-kevitra amin’ny fanaovana ny atrikasa. Ny ENMG miaraka amin’ny tomponandraikitry ny sampandraharaha mikirakira fifidianana (DER) eo anivon’ny Ceni no mampiofana. Ny Pnud no manome tantsoroka amin’ ny vola sy teknika ary fitaovana.
Ao anatin’ny fitsinjaram-pahefana no tena ahazoana mitondra fampandrosoana eny ifotony ho an’ny kaominina. Izany no mahatonga ny Ceni miantso ny rehetra hoe tsy maintsy atao an-kitsim-po sy mangarahara ny fifidianana toy izay efa natao hatramin’ izay. Na ahoana na ahoana, rehefa misy ny olana: mitodika any amin’ny Ceni sy ny rantsam-pitsarana misahana fifidianana ny olom-pirenena. Tsy misy afa-tsy fitiavana no mibaiko ny asan’izy ireo. Tsy inona izany fa ny fangaraharana, ny fanajana ny didy aman-dalàna velona mifehy ny fifidianana, ny tsy fiandaniana, ny fandalana hatrany ny fahamarinana. Ampitoviana ny fomba fijery ny antom-pisian’ ny atrikasa, ifanakalozana sy ahazoana fomba fiasa ho an’ ireo rafitra amin’ny fikirakirana voka-pifidianana kaominaly sy monisipaly.
R. Nd.