Vita soa aman-tsara ny 2 novambra teo ny lalana mampitohy an’Antanambao Manampotsy sy Ilaka Est. Nahafaly ny mponina any an-toerana izany satria nampidina ny saran-dalana sy ny vidin’entana ilain’ny mponina andavanandro. 60 000 Ariary ny saran’ny taksiborosy teo aloha, lasa 10 000 Ariary izany amin’izao. Mankasitraka ny fitondram-panjakana, araka izany, ny vahoaka noho io ezaka goavambe io. Fepetra noraisina hanajana ny lalana ny tsy fahazoan’ny kamiao mandeha amin’ny lalana vao natao. Amin’izao fotoana izao anefa, misy mpandraharaha iray tsy manaraka io fandaminana io ka mitarika amin’ny fanimbana ny fotodrafitrasa iombonana. “Mitady hanimba ny tombontsoan’ny vahoaka io mpandraharaha mpanangom-bokatra io sady mampiasa hery amin’ny alalan’ny mpitandro ny filaminana avy any Ilaka Est ihany koa”, hoy ny depiote voafidy tany Antanambao Manampotsy, i Tarka Jean Michel, mitondra ny hafatra sy misolo tena ireo vahoaka any an-toerana. Manoloana izany, miantso ny tomponandraikitra handray vahaolana mahakasika ny fanimbana ny tombontsoam-bahoaka sy ny fanapotehana ny lalana ataon’io mpandraharaha iray io ny vahoaka sy ny solombavambahoaka voalaza etsy ambony.
Mino