Fanitarana ny fakana didy hitsivolana : mangata-panazavana amin’ny Ceni ny KMF/Cnoe

“Mangataka ny Ceni hitondra fanazavana : inona marina ny zava-misy momba ny fitantanana ny lisi-pifidianana? Io lisi-pifidianana io no fototra hananana fifidianana marina sy mangarahara ary eken’ny rehetra”, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabea­zana olom-pirenena, i Namea­rison Robert. Tany Morondava, omaly, manoloana ny fanita­ran’ny Ceni ny fahazoana mangataka didy hitsivolana hahazoana misoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana no nametrahany izany fanontaniana izany. Tokony ho nifa­rana tamin’ny 30 novambra ny lisitra, fa nahemotra hatramin’ny anio. Raha tena heverin’ny olom-pirenena fa zava-dehibe aminy izany, tokony ho tamin’ny fo­toana nilazana ny fotoana farany no nanaovany izay fomba rehetra nanatanterahana an’ izay. Misy filaharana tokoa ve eny amin’ ny fitsarana ka mbola nanalavana indray izay?
Raha mivoaka ny lisitry ny naka didy hitsivolana, hatao lisitra tovana sa hampidirina ao anatin’ny lisi-pifidianana? Rahoviana no hanaovana ny fanakatonana? Iza avokoa no hanao an’izany sa ny Ceni sy ny rantsamangaikany hatrany? Ahoana ny fahatokisana ny lisitra? Ireo naka didy hitsivolana ve hanana fotoana hanamarinany fa tafiditra ao anaty lisi-pifidianana izy na tsia? Amin’ny fotoana manao ahoana no hanaovany an’izay? Raha ny marina, mila fotoana ny fikirakirana ny lisi-pifidianana. Ny hisian’ny fangaraharan’ny lisi-pifidianana no mahatonga azy hoe soniavin’ny mpiantsehatra rehetra amin’ny fifidianana. Rahoviana no hanaovana sonia farany ary rahoviana izay lisitra izay no ho tonga aiza? Hanova ny kalitaon’ny fifidianana ny li­si­tra, raha tsy mitandrina ny Ceni.

R. Nd.

Partager sur: