FANTINA sy FINTINA

Tanterahina eny amin’ny Carlton Anosy, hatramin’ ny 6 desambra izao, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ ireo mpanao gazety sy mpiasa eo anivon’ny Antenimie­ram­pirenena. Ny Commission de l’océan Indien (COI) sy ny Agence française de développement (AFD) no mikarakara ny fampiofanana. Tanjona ny hanamafisana ny fahalalan’ny mpanao gazety ny fomba fiasa ao amin’ny Antenimieram­pirenena. Eo ihany koa ny fanarahana ny etika amin’ny famoahana vaovao.
Mandray ny Fihaonamben’ny minisitera faha-4 momba ny fandriampahalemana sy ny fiarovana ho an’ny tanora anatin’ny vondrona Comesa i Madagasi­kara. Ny 3 hatramin’ny 6 desambra izao no hanatanterahina izany. Ny hahafahana mametraka drafitra mazava ho fampidirana ny tanora amin’ny seha-panapahan-kevitra no tanjon’ny hetsika.
Miroso amin’ny asa fanasoavana ny vahoaka ny kandidà laharana faha-7, Harilala Ramanantsoa, na dia mbola tsy vita aza ny fifidianana. Nisy ny fanaovana « Fora­ges » teny Ambohipo ho fampisitrahana rano fisotro madio ny vahoaka. Hitohy amina toerana maro izany ho fanatanterahana ireo vina sy fanamby atao amin’ny vahoaka.
“Kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny ben’ny Tanàna ka mila fantatry ny olom-pirenena ny vinana­san’ny kandidà”, hoy ny Jly Ramakavelo. “Tokony hisy foana ny fifanatrehana eo amin’ireo samy mpilatsaka hofi­dina; tsy mendrika hofidina rehefa tsy manao izany …” Tomponan­draikitra ny rehetra ary tokony handinika ny olom-pirenena amin’ny safidy hataony raha ny nambaran’ity raiamandreny eto amin’ny firenena ity.

Partager sur: