Herinandro katroka, amin’ny heriny anio no hisafidy izay ho ben’ny Tanàna ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy. Efa samy vonona ny mpilatsaka hofidina sy ny mpanohana azy. Mitohy anaty filaminana ny fampielezan-kevitra, amin’ ny ankapobeny. Ny fifampihantsiana am-bava no maningantsingana eny antsefatsefan’ny fanehoan-kevitra eny. Taratry ny demokrasia daholo izany!
Marihina anefa, ny an-tanàn-dehibe ihany no tena mahoraka io. Tsy vitan’ny maresaka fa miteraka fikorontanana samihafa amin’ny lamin’ny fiarahamonina koa. Ny hetsiky ny sasany, miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana. Ny an’ny sasany mamoha-mandry maraim-be, na manakorontana torimaso, tratra alina loatra. Ny tabataba sy ny horakoraka manakaiky toerana voarara, tsy lazaina intsony.
Ny any ambanivohitra kosa mangina tanteraka ny fampielezan-kevitra. Tsy misy famoriam-bahoaka, zara raha mahita petadrindrina. Asa, karazany efa lova tsy mifindra, na fananan’ilay ben’ny Tanàna am-perinasa ny kaominina? Tsy mivaky loha amin’izay miseho rahateo ny mponina na ny mpifidy. Tsy mahagaga raha misy ny ben’ny Tanàna efa ampolo taonany maro no mitondra. Misy aza mitoetra eo mandra-pahafaty mihitsy.
Taratry ny fahalalana misy eto Madagasikara izany. Tsy misy rahateo ny lalàna manakana ny mpianakavy hirotsaka hofidina. Tsy misy manery ny mpandatsa-bato, hisafidy an’izatsy na izaroa ihany koa. Rehefa handriandrian’ny saina dia efa mety izay. Sarotra ho an’ny Malagasy rahateo ny miala amin’ny mahazatra azy. Manahirana ny mandresy lahatra ny olona any ambanivohitra hisafidy olom-baovao, matetika. Efa lasa soatoavina na vakoky ny kaominina “ingahy mera”!
Dingana iray goavana amin’ny fampandrosoana ny fahaizan’ny mpifidy mametraka izay ho ben’ny Tanànany. Tsy azo atao an-tery anefa fa malalaka ny safidy.
r.r