Notontosaina teny amin’ny minisiteran’ny Foaloalindahy (MFA) Ampahibe, omaly, ny fandraisan-draharaha nataon’ny tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny MFA, Rakotobe Nivonirina Noferana. Ny filankevitry ny minisitra, ny 27 novambra 2024 lasa teo, no nanendry azy ho amin’io toerany io. Naneho ny fahavononany hanohy ny raharaha nataon’ny teo aloha izy. Nampanantena ny hanao izay fara heriny amin’io andraikitra sahaniny io. Nanome voninahitra izany ny Sekretera jeneralin’ny MFA, ny amiraly Assany Bemarivo. Marihina fa mpitsara niasa teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo ary nitana ny andraikitry ny mpampanoa lalàna izy.
J.C