Olona manana fahasembanana : Tokony hisitraka zo feno toy ny rehetra

“Ampitomboina ny anjara andraikitra maha mpitari-dalana ny olona manana fahasembanana, ahitana firaisankina maharitra”. Io no lohahevitry ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana, izay nomarihina omaly.
Olona 1 amin’ny 6 no sembana, raha ny tarehimariky ny OMS. Tafiditra ao anatin’ny sokajin’olona marefo izy ireny. Satria, heverina hamoy ny ainy mialoha ny faha-20 taonany raha tombanana amin’ireo mponina ankapobeny.
Mahatsiaro ho ankilabao ireo olona ireo eny anivon’ny fiarahamonina noho ny antony maro. Misy amin’izy ireo anefa mahavita zavatra tsara mihoatra noho ny olona ankapobeny.
Mahatsiaro iharan’ny fanavakavahana sy ny fanilikilihana noho ny toe-tena tsy mitovy na tanjaka tsy mifandanja izy ireny. Misy tsy misitraka ny zo fototra maha olona akory aza noho izany fanavakavahana izany. Ny fianakaviana sasany manafina mafy ny havany manana io toe-tena io noho ny henatry ny fiarahamonina ka tsy mampisitraka azy ireny ny zo feno.
Toy ny olon-drehetra anefa dia mendrika ny hisitraka ny zo feno izy ireny.

Tatiana A

Partager sur: