Samy tarika nanana ny lazany tany amin’ny taona 80 tany. Nitohy hatramin’izay izany, satria manohy hatrany ny mozika na Ingahibe Tselonina na ny tarika Jeneraly. Hiaraka an-tsehatra izy ireo ny zoma 6 desambra izao, manomboka amin’ny 20 ora alina, eny amin’ny Aqua Marine, Antsavatsava Itaosy.
Azo lazaina fa indray nihira raha ry Tselonina sy ry Gaby, lehiben’ny tarika Jeneraly tamin’izany fotoana. Tsy nifanalavitra ny fankafizan’ny olona ny hiran’ny tarika roa tonta, na dia tsy mitovy aza ny gadona. Nisafidy ny mozika mavesatra kokoa ry Gaby, raha toa ka nirona tamin’ny folk song sy ny hira vokatry ny tany i Tselonina. “Noho ny fangahatan’ireo mpankafy ny tarika roa tonta indrindra no nampiarahanay azy. Mbola eo ireo tanora mandimby an-dry Gaby manohy ny tantaran’ny Jeneraly. Mbola io ihany koa Ingahibe, mamelona hatrany ireo hirany tsy lefin’ny taona”, hoy i Rolly Andrianjohary, izay mpanakanto mahalala tsara ny tarika roa tonta, no mpikarakara ihany koa amin’ity. Hanehoany fofompofony amin’ny andiam-pampisehoana izay homaniny amin’io taona ho avy io rahateo ity fiarahana ity.
Zo ny Aina