Rugby – “XXL Top 12” : hanala vela amin’ny FTM ny Uscar

Hitohy etsy Andohatapenaka ny fifaninanana nasionalin’ny taranja rugby, diviziona voalohany, federaly I, ny faran’ny herinandro ho avy io. Fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny FTM Manjakaray sy ny Uscar. Lalao hiendrika famaranana kely.

Hotanterahina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ ny Kianja Makis Ando­hatapenaka, ny andro fahafolon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, federaly I. Hamarana ny fihaonana eny an-toerana ny lalao izay hikatrohan’ny FTM Manjakaray (Dakar), tompondakan’i Mada­gasikara tamin’ny taon-dasa, sy ny Uscar. Tsiahivina fa mbola manala vela ny ekipan’ ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny volana oktobra 2023 lasa teo, nahintsan’ ny mpilalaon’ny Manjakaray, tamin’ny isa 35 no ho 26, ny Uscar, nandritra ny manasa-dalan’ny “XXL Top 20”.

Ho toy ny famaranana kely, araka izany, ity fifanandrinana ity. Samy manana ny fomba filalaony rahateo ireo ekipa roa tonta ireo. Dakar manafangaro ny tolotolotra haingam-pandeha sy ny “pack d’avant”. Ny Uscar indray milalao amin’ ny alalan’ny tositosikabe. Tsara marihina fa amin’ity fifanintsanam-pirenena ity, ireo roa voalohany, efa miandry ny manasa-dalana avy hatrany raha toa ka mbola mifandona ireo ekipa fahatelo hatramin’ ny fahenina. Ny klioba roa tafavoaka amin’izany no miakatra amin’ny dingana manaraka. Adin’ny kartie sy boaty ny mialohan’io lalao io. Hifan­dona amin’ny 1 ora tolakandro, eny an-toerana ihany, ny TFA Anatihazo sy ny USA An­kadifotsy. Lalaon’ny samy kartie izy io. Samy hiezaka ny hitady fandresena ny roa tonta. An­koatra izay, ny fifandonan’ny samy boaty no hanokatra ny tohin’ny andro fahafolo eny an-toerana, ny ekipan’ny fahasalamana 3FB, hifampitana amin’ny Cosfa, tompon-daka lefitr’i Madagasikara farany teo, sady laharana voalohany amin’izao fotoana izao.

Fitia Randria

Partager sur: