Aiza ihany ilay lalàna momba ny famosirana? Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ny 2 desambra teo, ny sefo fokontany iray sy ny jiolahy roa hafa tompon’antoka tamina fanolanana tambabe. Nanamparan’ny jiolahy ny filan-dratsiny ny tovovavy iray 23 teny Andranotapahana Ambohidratrimo, ny 15 oktobra 2024 alina. Nifandimbiasan’izy telo naolana io tovovavy io rehefa avy nofitahina tamin’ny alalan’ny kaonty sandoka tamin’ny tambajotra facebook. Nentin’ireo jiolahy nisandohana ho vazaha io kaonty io. Nanao izay ho afany ry zalahy nambabo ny fon’io tovovavy io nandritra ny volana maro. Tonga hatrany amin’ny fakana vady mihitsy ny resaka. Raikitra fa hihaona ka nilaza ilay jiolahy nisandoka ho vazaha fa hanaraka ny mpiasany sady hitsena azy amin’ny moto. Rehefa tonga teo Andranotapahana anefa, nisy roa lahy efa niandry sady nilanja tady. Nofatoran’ireo jiolahy ilay tovovavy sady nadabok’izy ireo tamin’ny tany ka tratran’ny fanolanana tambabe. Efa nalemy sy naratra io tovovavy io vao niala ry zalahy. Zandary mpanao fisafoana no nahita io tovovavy io naratra mafy. Taorian’ny fanadihadiana, tratra izy telo lahy.
J.C