Fotoan-dehibe ho an’ny « Slam national 15 » ny anio. Hotanterahina ao anatin’izany ireo hetsika samihafa mampiavaka ity fifaninanam-pirenena andiany faha-15 ity. Eo ny atrikasa iarahana amin’i Rouda, ao amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely. Manampy izany ny famaranana ny «Slam Media Kids& Open» eny amin’ny AFT Andavamamba. Farany, ny fampisehoana iarahana amin’ny Marc Kenny Smith, ao amin’ny Kudeta Anosy. I Rouda sy i Marc Kenny Smith, izay samy teratany vahiny nasaina manokana amin’izao hetsika izao.
Taorian’ny tany Antsirabe, tonga eto Antananarivo indray ny «Slam national 15 ». Samy hahazo ny anjarany ny rehetra amin’ity anio ity. Ny atrikasa tarihin’i Rouda dia natao hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiangaly Slam tsy mandray anjara amin’ny fifaninanana nasionaly. Ny Slam media, natao hanomezana sehatra ireo ankizy eo amin’ny tontolon’ny Slam. Ny fampisehoana iarahana amin’i Marc Kenny Smith kosa dia natao ho an’ny mpankafy ity taranja ity amin’ny teny anglisy, izay santatry ny Slam amin’ny teny anglisy eto Madagasikara.
Liana ny Malagasy
Mitombo ary mivoatra hatrany ny fankafizan’ny Malagasy ny Slam eto Madagasikara. Porofon’izany ny hamaroan’ny olona mijery ny seho tamin’ireo toerana maro nandalovan’ny hetsika. Anisan’izany ny tao Antsirabe sy Ambatolampy. Anton’ny ankafizan’ny maro azy ny fanakaikezany ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Izany hoe, mitantara ny zava-misy amin’ny alalan’ny teny arindra tsara mba ho kanto.
Eo ihany koa ireo mpandray anjara amin’ny hetsika, izay taratra fa manana talenta azo trandrahina.
Lin