Norombahin’i Safidy Mahaliana Andrianisoa (Sentaku), avy amin’ny Team Sly, ny laharana fahatelo teo amin’ny « jeux video, Mzansi Esports Champions ». Fifaninanana ho an’ny vehivavy, natao tatsy Afrika Atsimo, ny 29 novambra ka hatramin’ny 1 desambra lasa teo. « Nanamporofo ny tanjak’i Madagasikara ny fihaonana izay efa avo lenta », hoy i Sentaku.
Hifarana rahampitso ny fe-potoana nomena ireo teknisianina maniry ny hitondra ny Barea A. Ho fantatra tsy ho ela, araka izany, izay mpanazatra handimby an-dRakotondrabe Romuald Felix (Rôrô). Tsiahivina fa mbola tsara toerana amin’ny fifanintsanana « Mondial 2026 » i Madagasikara, ka tsy maintsy manendry mpanazatra efa voky traikefa sy avo lenta ny (FMF).
Mitohy hatrany ny fanomanana ny taom-pilalaovana 2024-2025, ho an’ny Fosa Juniors FC Boeny. Efa nanatanteraka lalao ara-pirahalahiana maro izy ireo, saingy, hatramin’izao tsy hay ny fotoana hanombohan’ny fifaninanana ho an’ny Kaonferansy Avaratra. Tsiahivina fa manana tanjona ny handrombaka indray ny “PFL 2025” izy ireo.
Araka ny loharanom-baovao iray, mety hatao any amin’ny nosy rahavavy Maurice, ny fihaonana miverina eo amin’ny Barea de Madagascar, “Chan”, sy ny ekipa nasionalin’i Eswatini. Tsiahivina fa mbola ao anatin’ ny fanasivanana mpilalao hatrany ny Barea Chan, izay tarihin-dRakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô, amin’izao fotoana izao.