TARATRY ny KANTO

Lasa any Rodrigues i Faby Belamaky sy Rajery. Handray anjara amin’ny “Festival Kréol”, izay tontosaina manomboka anio hatramin’ny 8 desambra ho avy izao izy ireo. Anisan’ireo mpanakanto nasongadin’ny “Festival Angaredona” i Faby Belamaky, ary ireo mpitendrin-dRajery toa an-dry Zo, Lepa, Jery ary i Finoana. Tsy hatoro ireo mpankafy ny mozika miaina maneran-tany intsony kosa raha ry Rajery.
“Gasy Dihy”, etsy amin’ny No Comment Bar. Anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany hariva ity hetsika hafakely atao amin’ity toerana ity. Araka ny anarany, dihy gasy no hozarain-dry Jean Louis sy ny tariny amin’ity fotoana ity. Miala kely amin’ny mahazatra ao amin’ity toerana ity, raha toa ka mozika fotsiny no nahazatra hatramin’izay.
Ny Tranombokin’Ambohimandroso indray no handray ny « Lecture en rire », anio. Hetsika fampiraisana ny hatsikana sy ny vaky boky. Tanjona ny hanentana ny olona, indrindra ny ankizy, hamaky boky. Ny hatsikana izay fantsona hampitana hafatra anisan’ny mahomby amin’izao. Ny vaky boky ihany koa izay tokony hataon’ny olona, indrindra ny mpianatra.
Ny alahady 8 desambra izao. Ho tafaraka ao amin’ny FJKM Ambatofotsy Gara ny mahasoa sy ny mahafinaritra. Hanatanteraka « Feom-baliha fiderana » eny an-toerana ireo mpitendry valiha 25 mianadahy avy ao amin’ny Zanabaliha sy ny antoko mpihira ao amin’ny STK FJKM Ambodihady Ambohimanarina.

Partager sur: