Ny fiadiana ny ho tompon-dakam-paritra, ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany Atsimon’i Afrika no hisantaran’ny Federasiona malagasin’ny tenisy ny taona 2025. Ny ITF/CAT Southern African Junior. Fihaonana ho an’ny sokajy zandriny, U14 sy U16, lahy sy vavy. Hampiantrano izany i Namibia ka hatao ao amin’ny Kianja ao Windhoek ny fihaonana, ny 10 ka hatramin’ ny 18 janoary ho avy izao.
Raha ny fandaharam-potoana, hanomboka izany ny lalao ho an’olon-tokana, hotontosaina ny 10 ka hatramin’ny 13 janoary. Ny 14 ka hatramin’ny 18 janoary ny an’ny isan-tarika. Marihina fa manana ny lanjany lehibe ity fifaninanana ity. Ankoatra ny fahazoana traikefa amin’ny fifandonana amin’ireo mpilalao avy any ivelany, fangalana isa ho an’ireo mpilalao isanisany ihany koa io hatao io.
Tsiahivina fa anisan’ny lesoka amin’ireo mpilalao ny tsy fahampian’ny fifaninanana iraisam-pirenena toy izao ka fanararaotra ny fisian’izany. Madagasikara rahateo manana ireo kilonga madinika kalaza, na ho an’ny sokajy lehilahy na eo amin’ny vehivavy.
Torcelin