Tsy hita nandritra ny herintaona : Vazaha hita faty teo ambony fandriany

Hita faty tao an-tranony, tetsy Ankadivato, ny vazaha iray. Tsy hita popoka nandritra ny herintaona izy. Razana efa taolana sisa no hita teo ambony fandriany, omaly maraina

Hita faty tao an-tranony, tao amin’ny fokontany Ankadivato-Ampan­drana, boriborintany fahatelo, omaly maraina, ny teratany Soisa iray 67 taona. Anisan’ irony teratany vahiny niara-niasa tamin’ny fiangonana irony ity hita faty ity. “Mpiasa tamin’ ny Foibem-piangonana ma­tan­jaka iray izy. Tsy hita in­tsony nanomboka ny aogositra 2023”, araka ny tatitra voarain’ny mpitandro filaminana. Nohe­verin’ireo akaiky azy fa nandeha nody, na ihany koa efa lasa nihazo ny tanindra­zany any ivelany io lehilahy io taorian’ny tsy nahitana azy. “Nisy olona nanana ahiahy anefa ka nampiantso vadin­tany sy mpitandro filaminana”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Niga­dona teny amin’ny toerana nisy ny trano fonenany, nisava ary nijery ny zava-nisy izy ireo.
Taolambalo teo am-pandriana

Hatairana ny an’ireo tomponandraikitra nahita fatin’ olona efa taolana teo ambony fandriana. Tsy nisy nahafatarana azy intsony, efa maina tanteraka ny fatin’ilay teratany vahiny. Ny olona nifanerasera taminy no nahalalana fa ilay lehilahy tsy hita herintaona lasa ity nihidy aman-trano namoy ny ainy ity. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro filaminana manoloana ity tranga ity.
Tsy fantatra ma­zava ha­treto ny antony nahatonga io lehilahy io ho faty tao amin’ilay trano. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: