25 desambra, fankalazana ny nahaterahan’ny Mpamonjy, ho an’ny kristianina. 31 desambra, fanatanterahana ilay lanonana faran’ny taona sy fiarahabana ny taona vaovao! Tsy misy na iray amin’ireo aza ka an’ny Malagasy. Tsy fomba, tsy kolontsaina, tsy finoana malagasy… Fa, nentina nanomezana vahana ny fotokevi-bahiny. Natao hampitahorana sy hanabadoana ary hanadontoana ny sain’ny Malagasy. Ankalazaina isan-taona ny « fety » iray tarika amin’ireo. Izany hoe, omena toerana sy vahana isan-taona ny zava-bahiny mba tsy ahafahan’ny Malagasy miaina ny azy. Ny Malagasy rahateo mitavozavoza amin’ny fampahafantarana sy fampivelarana ny maha izy azy. Vitsy sisa, ohatra, ireo ray aman-dreny no afaka mampahafantatra ny taranany ny momba ireo nipoirany (razana, tanin-drazana, fasan-drazana…). Tsy mahay ? Tsy sahy ?
Lafiny hafa indray. Manomboka tazana eny an-tsena ireo kilalao vahiny hovidian’ny Malagasy, hoentiny hitaizana sy hamalifaliana ny zanany. Mahazo vahana ihany koa ny tsenambarotra vahiny. Tsy mba manana kilalao ny Malagasy? Misy tokoa, saingy, tsy fantatry ny zaza malagasy miaina amin’izao vanim-potoana izao intsony.
Mbola adidy goavana ho an’ny ray aman-dreny ny mitaiza sy manabe ny zanany, amin’ny maha izy azy. Raha tsy mbola tafapetraka any anivon’ny ankohonana izany, sarotra ho an’ny Malagasy ny ho tia ny tanindrazany!
HaRy Razafindrakoto