Zotram-pifidianana : Tanora mpianatra 58 nahazo fiofanana

Nanomboka ny 16 septambra ka hatramin’ny 28 novambra teo no nametrahan’ny Friedrich-Ebert-Stiftung Madagascar ny tetikasa “Jeunes reporters francophones 2024”. Tetikasa fanofanana ho an’ny mpianatra amin’ny asa fanaovan-gazety sy serasera amin’ny fandrakofana ny zotram-pifidianana izy ity. Ny Organisation internationale francophone (OIF) no manohana azy. Mpianatra 58 avy amin’ny oniversitem-panjakana sy tsy miankina no nandray anjara tamin’izany, nandritra ny 11 herinandro. Nampitana ireo tokony ho fantatra sy hampiharana izany amin’ny famolavolana vaovao. Teo ihany koa ny etika sy ny tokony ho fomba fitondran-tenan’ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany.
Anisan’ny nojeren’izy ireo koa ny olana amin’ny fampitam-baovao momba ny fifidianana ankehitriny. Nisongadina manokana tao anatin’izany ny fanontaniana ny amin’ny fahamarinan’ny vaovao, ny fiarovana ny mpanao gazety. Niampy ny teknika fanaovan-gazety isan-karazany ny vontoaty natolotra. Ny fandrakofana ny fizotran’ny fifidianana no lohahevitra. Nifandimby nitondra fanazavana sy nifanakalo hevitra tamin’ireo mpianatra nandritra izany ireo tomponandraikitra misahana ny fifidianana.

Lin

Partager sur: