AFT Andavamamba: Maro no liana tamin’ny “L’Enfant et le tambour de nuit”

Tontosa omaly tolak’andro teny amin’ny Alliance Françai­se d’Antananarivo (AFT) Anda­vamamba ny fampisehoana an-tsehatra ny “L’En­fant et le tambour de nuit”. Ny Compagnie Miangaly Theatre no nitondra izany. Seho an-tsehatra nahitana angano, teatra noravahina mozika no nentin’izy ireo nanome fahafahampo ny mpankafy azy tamin’izany. Nahaliana ny mpijery tokoa ny fampisehoana. Mari­hina fa tafiditra ao anatin’ny fitetezana ireo Alliance française amin’ny fampahafantarana ity sanganasa ity iny fampisehoana iny.
Azo ambara ho nahatratra ny tanjony ny mpikarakara ny amin’ny fampiroboroboana ny zavakanto sy fampivelarana ny teny frantsay ho an’ny ankizy. Angano nosoratan’i Jean Luc Raharimanana ity notanterahina ity. Ankoatra ny fampisehoana an-tsehatra ny tantara, anisan’ny tena nankafizan’ny mpijery ny fampisehoana ny karazana seho nandravahana ny hetsika nataon’i Fela Razafiarison sy i Tina Rakotondrasoa. Teo ihany koa ny fikapohana amponga izay nandravaka ny fampisehoana.
Hitohy ny fitetezana ireo Alliance Française manerana ny Nosy ho fampahafantarana ny “L’Enfant et le tambour de nuit”. Ankoatra ny fampialana voly, manasongadina ny maha izy ny zavakanto eo anivon’ny fiarahamonina ihany koa ity sanganasan’i Jean Luc Raharimanana ity.

Lin

Partager sur: